Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.